Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, hanaraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mirahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randrianarivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana.
Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy mpankafy ny taranja basikety. Nilaza fa vonona ny hiady hatramin’ny farany izy ireo. Lalao roa no efa fantatra fa hotontosaina,hatramin’izao. Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny fanazarantena.
Niantohan’ny fanjakana malagasy ny fandehanan’ny mpilalao amin’ny maha ekipam-pirenena azy. Nanolotra fampitaovana ho azy ireo koa ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nitso-drano azy ireo teny amin’ny ANS, Ampefiloha ny tale jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa, omaly maraina. Nialoha ny fiaingana teny Ivato, tamin’ny 3 ora hariva izany.
Hihazo an’i Viennes, Autriche ny Ankoay sy ny filohan’ny delegasiona ary ny mpanazatra ny 28 mey. Hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany Basikety 3×3, hotanterahina ny 30 mey hatramin’ny 4 jona ho avy izao ny ekipam-pirenena Malagasy.
Mi.Raz