Nifarana omaly alahady, tetsy Ankorondrano ny Rallye Motul, nokarakarain’ny FMMSAM. Dingana voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena. Nanjakan’ny klioba ASACM sy ny fiara Subaru ny fifaninanana satria izy ireo avokoa no telo tonga voalohany. Nandrombaka ny fandresena, i Frederic sy i Mick, nahavita ny hazakazaka tao anatin’ny 1 ora 20 mn 04, 4 s. «Niezaka ny ho tonga fotsiny izahay ary tsy nanao fahadisoana. Mbola vao notsapaina ihany koa ilay fiarakodia ka nila fitandremana be», hoy i Frederic. Anisan’ny nifampitady tamin’izy mirahalahy hatrany am-boalohany ka hatramin’ny farany i Mathieu (Zaza maditra), tonga teo amin’ny laharana faharoa. 28, 6 s monja ny nampisaraka azy tamin-dry Frederic. Nifandimbiasan’izy mirahalahy rahateo ny nitarika tamin’ireo dingana manokana «ES», notanterahina tamin’ity.
Namarana ny fiakarana lampihazo i Lai Kam sy i Willy, nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ny 1 ora 21 mn 19, 8 s.
Tany amin’ny laharana fahenina i Hery Be sy i Lalah, mpanamorin’ny TMF nitondra ny P.208 Elf. 1 ora 26 s07, 8 s ny fe-potoany.
Torcelin