Raha tsy misy ny fiovana, ho tonga anio, eto Madagasikara, ireo delegasiona avy amin’ny Vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), misahana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hijery ny fandrosoan’ny fanamboarana ireo fotodrafitrasa sy ny pitsopitsony teknika samihafa izy ireo, mandritra ny fitsidihana. Andrasana ny fankatoavana na tsia ny mety hahazoan’i Madagasikara mampiantrano ity lalaon’ny Nosy ity, na tsia. Tsiahivina, efa nanambara ny minisitry ny Fanatanjahantena malagasy, i André Resampa, fa vonona i Madagasikara handray ny lalaon’ny Nosy. Efa voatendry rahateo ny minisitra «coach» amin’ireo taranja isanisany.
Tompondaka