Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana.
Nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo toerana maromaro, toy ny eny Antaninarenina sy ny manodidina, ny eny Analakely amin’ny araben’ny fahaleovantena. Torak’izany ny eny Faravohitra manoloana ny Jirama, Lycée Jules Ferry Annexe, FJKM Tranovato Faravohitra ary Mangarivotra.
Tsy azo ivezivezen’ny sarety ihany koa eny Antanimena manoloana ny station Shell, Supreme Center, Lil Optic, Ambodivona. Voakasik’izany ny eny Ankadifotsy, toy ny eny amin’ny SFX Ambany. Ny eny Ambohijatovo amin’ny lalana Tsenan’ Ambohijatovo, minisiteran’ny Mponina, FJKM Ambatonakanga, Planète.
Efa voafetra ihany koa ny ora ivezivezen’ny sarety amin’ny toerana azon’izy ireo aleha. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora atoandro; amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora tolakandro.
Miteraka fitohanan’ny fifamovoizan’ny fiara ny fivezivezen’ny sarety ao anatin’ny ora maha betsaka ny fivoahan’ny olona eto an-dRenivohitra. Manaporofo izany ny fitohanana matetika miseho anaty tanàna, toy ny eny isotry sy Andavamamba izay falehan’izy ireo mitatitra entana.
Mandray ny andraikiny ireo polisy mandrindra ny fifamoivoizana raha mahita fandikan-dalana ataon’ireo mpitondra sarety amin’ny lalana efa voarara na ivelan’ny ora voatokana.
Tsy mahafehy ny lalànan’ny fifamoivoizana ihany koa ny ankamaroan’ireo mpitondra sarety ka mitera-doza ho an’ny hafa matetika.
Tatiana A