Nahomby ny fanatanterahana ny andiany voalohany ny tetikasa Madagasikarantsika, ataon’ny vondrona orinasa Imperial Bands. Maherin’ny 200.000 ny zanakazo voavoly, raha 170.000 ny vinavina tany am-piandohana.
Nampahafantarina nandritra ny Foara iraisam-pirenen’i Madagasikara (Fim) teny Tanjombato, ny herinandro lasa teo, ny tetikasa tanterahan’ny Vondrona orinasa Imperial Brands. Nanomboka ny volana mey 2021 ny tetikasa «Madagasikarantsika» any Mandoto, faritra Vakinankaratra. Manatanteraka azy ny vondrona orinasa Imperial Bands (Soctam, Sitam, Sacimem, Promodim), niarahana niombon’antoka tamin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovainjafy (Medd). Natsangana ny valan-javaboahary, izay maka endrika an’i Madagasikara, mitotaly 600 ha any amin’ny fokontany Ampotaka, kaominina Mandoto, faritra Vakinankaratra. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hananganana ny tanin’alam-panjakana na « Domaines forestiers nationaux » (DFN), izany hoe mijanona ho tanim-panjakana ny toerana.
Naniry ny 85%-n’ny zanakazo
Maro ny fotodrafitrasa natsangana. Namboarina ny lalana mankany amin’ilay toerana, ka niatohan’ny faritra Vakinankaratra ny fitaovana vaventy. Nisy ny trano naorina, miisa efatra ho an’ny mpiambina ny toerana, miisa valo ny lavaka fanaovana zezi-pahitra, mirefy 22 km ny aro afo, efatra lava-drano, trano natao foibe mirefy 158 m2, toerana fambolena zanakazo, ka niisa 251.528 ny vita ny taona voalohany (2022) ary 192.219 ny taona faharoa (2023).
Niisa 176.757 ny zanakazo voavoly ny taona voalohany, raha 38.498 ny taona faharoa.
Naniry ny 85%-n’izy ireo, ary efa nosoloina ny maty niisa 27.215. Maherin’ny 300 ny tokantrano nahazo asa, nahitana olona maherin’ny 2.000. Maherin’ny 200 tapitrisa Ar ny karama nomena azy ireo.
Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina
Anisan’ny olana nosedraina ny fisian’ny bozaka haingam-paniry ka tsy maintsy hatao mitohy ny fanesorana azy. Mila arovana mafy koa ireo zanakazo. Miankina amin’ny hoenti-manana ara-bola daholo anefa ny fanaovana ireo.
Tohin’ny asa hataon’ny Imperial Brands ny hanitarana ity tetikasa ity any amin’ny faritra efatra hafa eto Madagasikara. Nitsotra ny minisitra Raharinirina Baomiavotse, minisitry ny Tontolo iainana teo aloha, izay nanao sonia ity fiaraha-miasa tamin’ny Imperial Brands ity, fa tena ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina toy izao, satria tsy mahavita tena ny fanjakana sady tsy manam-bola. Ity farany anefa no tena ilaina, raha tiana ho tanteraka tokoa ny vina ho rakofantsika maitso i Madagasikara. Tsara aparitaka any amin’ny faritra hafa ny tetikasa filamatra toy izao.
Njaka Andriantefiarinesy