Toetr’andro : mandindona ilay rivodoza Fabien

Nivoatra be ilay rivodoza Fabien ka lasa «forte tempête tropical modérée», omaly, araka ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby. Mi­zo­tra mianatsimo andrefana ny diany.
Tsy mbola ahiana amin’ ny toetr’andro eto Mada­ga­sikara i Fabien. Tombanana tsy dia hihetsika izy hatra­min’ny alakamisy ary heverina hiverina hianatsimo atsi­nanana aorian’izay. Ara­hi-maso akaiky hatrany an­efa ny diany sy ny fivoarany.
Misy rindrin-drahona mi­se­sy kosa mandalo ao atsimon’ny Nosy ka izay no mandrafitra ny toetry ny an­dro amin’ity herinandro ity. Hisy varatraza amin’ny alarobia ary hiverina indray ny rindrin-drahona aorian’izay.
Hisy ny zavona amin’ny afovoan-tany amin’ny ma­ra­i­na ary handrahona ny tapany atsimo sy atsimo andrefana. Ho an’ny maripana, 25°C ny afovoan-tany ary hanodidina ny 35°C any avaratra andrefana. Hitohy hatramin’ny alarobia ny ra­ho­na hitoetra amin’ny afovoan-tany sy ny zavona amin’ny maraina. Hisy tandrifin-drahona kosa amin’ny alakamisy any avaratra atsinanana noho ny fikoronta­nan’ny atmosfera.

Tatiana A

Partager sur: