Nahazo fahombiazana ny ekipan’ny miaramila. Lavon’ ny Cosfa, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mama FC, nandritra ny lalao ampahefa-dalana mandroson’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL) 2023”, taranja baolina kitra. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus, omaly alatsinainy.
Niady tanteraka ny lalaon’ny roa tonta, saingy manana tombony amin’ny tanjaka ny mpilalaon’ny Cosfa, teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Nanakobana ny harato i Toky, mpilalao Cosfa, teo amin’ny minitra faha-12. Ka io isa 1 no ho 0 io no nentina niala sasatra. Niezaka nanohitra ihany ny Mama FC ny fidirana faharoa, saingy tsy nahatafiditra baolina mihitsy. Araka izany, io isa tokana io ihany no nisarahana teny ambony kianja.
Tsiahivina fa ny 27-28 mey ho avy izao ny lalao miverina ho an’ireo ekipa valo mandray anjara amin’ ity fifanintsanana ity.
Fitia (Mpianatra asa)