Fifidianana ihany ?

Manjavozavo sy mbola tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raha­raha politika eto Madagasikara. Ny resa-pifidianana sy ny Tete­zamita no malaza saingy tsy hita soritra izay fanapahan-kevitra marina. Ny zava-misy sy hita taratra, mipoipoitra daholo indray aloha ny mpanao politika zokinjokiny na ny « Dinaozoro ». Mise­ho masoandro ny antoko politika, efa natory. Nitsangana tamin’ ny maty ny sasany. Inona re no antony ?
Mahoraka ny Tetezamita izay iarahan’ny rehetra mitantana sy hanomana ny fifidianana. Milalao teny sy fomba filaza diplaomatika ny firenen-dehibe sy ny fianakaviana iraisam-pirenena, mahakasika izany. Ny raiamandreny am-panahy, ma­noritra tsikelikely ny lalana mankany. Handrasana ny fahaton­gavan’ny iraka frantsay, ato ho ato. Toa mifa­nandrify amin’ny tetiandro napetraky ny FFKM, hanombohana ny fikaonandoham-pirenena.
Mifono zava-dalina ny ho avy politikan’i Madagasikara. Ny mpitondra, izay manao ranolava ny fanambarana sy fitsipahana ilay Tetezamita iaraha-mitantana. Mivoy ny tsy maintsy ha­naovana ny fifidianana amin’ny fomba rehetra. Miezaka ny manohy ny hetsika isan-karazany, mialoha ny fampielezan-kevi­tra. Mandeha ny fitetezam-paritra mangingina ataon’ny olona akaiky ny filoha Rajoelina Andry. Raha somary tsy tazatazana firy tamin’ny haino vaky jery ity farany, tanatin’ny andro vitsivitsy.
Raha ho an’ny sarababem-bahoaka, tsy fotoan’ny tetezamita in­tsony izao, araka ny fanadihadiana natao teny ifotony. Mihe­vitra ny vahoaka fa ny fifidianana ihany no vahaolana, haha­fahana mamaha ny krizy efa mipaka hatrany anaty vilany izao. « Koa tsy mainka ho zava-doza ! mbola hiampy firy taona ny fahoriana ? Tetezamita firy taona, natao hizaran-tseza ve ? », santionany amin’ny fanontaniana mani­tikitika ny sain’ny olon-tsotra ireo, vao miresaka ilay fiaraha-mitantana.
Mamerina an-tsain’ny Malagasy ireo kajikajy politika ma­loto, rangory fototry ny afo amin’ny krizy maharitra eto amin’ny firenena ireo « teteza-miitatra » rehetra, nifanesisesy teto Mada­gasikara hatra­min’ny nahazoana ny fahaleovantena. Fototr’olana fa tsy vahaolana ny fanaovana Tetezamita, ho an’ny vahoka madinika.
Mifanohitra amin’ny hevitr’ireo mpanao politika anefa izany. Betsaka ireo filohan’antoko, na olona mihevitra hilatsaka ho fidiana no manana hevitra hafahafa. Maro amin’izy ireny, no mivoy fa ho fototry ny olana goavana sy ny korontana mety hiseho eto amin’ny Firenena ny fiziriziriana hanao fifidianana. Misy aza ny mahita fa mbola mila fanovana hatramin’ny lalàm-pifidianana sy ny rafitra mpikarakara izany. Raha zohina akaiky dia mirona any amin’ny fiaraha-mitantana indray ny mpanao politika, noho ny tombontsoan’ny tenany manokana.
Izay indrindra ny hisintonana ny lakolosy dieny izao, mba hane­hoan’ny mpanao politika ny fitiavan-tanindrazana sy ny fitsinjovan’izy ireny ny vahoka madinika. Mba hampirimana ny fitiavan-tena sy ny kajikajy ho an’ny tombontsoan’ny paosiny fotsiny !

r.r

Partager sur: