Voafantina hiatrika ny “Festival de Cannes 2023” ny horonantsarimihetsika miisa enina avy amin’ny fikambanana Cinemalagasy. Malagasy dimy, iray avy any Cameroun. Horonantsarimihetsika niavaka nandritra ny hetsika Madagacourt Film Festival izy ireo. Ny 20 hatramin’ny 27 mey 2023 no hiatrika ny “festival de Cannes 2023” ireto mpanatontosa enina ireto. Andiany faha-76, ity hetsika lehibe eo amin’ny horonantsarimihetsika ity ankehitriny. Nanomboka omaly, tsy hifarana raha tsy amin’ny 27 mey 2023, ao Cannes Frantsa.
Mitohy ny fahombiazana ho an’ny Malagasy mpanatontosa, indrindra ny nandray anjara tamin’ny Madagascourt Film Festival. Anisan’ izany i Andry Ranarisoa, Hary Joel, Franco Clerc, Sitraka Randriamahafaly ary Gilde Razafitsihadinoina. Manampy isa azy ireo amin’izany i Jules Kalla Eyango avy any Cameroun, fa nandray anjara tamin’ny Madagascourt Film Festival ka nahazo izao tombony izao.
Mivondrona ao anatin’ny fikambanana antsoina hoe “Cinemalagasy” ireto mpanatontosa ireto. Fikambanana ahitana ny mpanatontosa rehetra nivoaka tamin’ny Madagascourt Film Festival. Amin’ny alalan’ny Cinemalagasy no ijeren’ny teknisianina sy vahiny mpanatontosa izay horonantsarimihetsika mahaliana sy maharesy lahatra azy. Tombony ho an’ny mpanatontosa ny fisian’ny fikambanana mba hisehoany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Lin (Mpianatra asa)




