FJKM Ambodihady Vaovao : 25 taona ny Sekoly Alahady

Hosokafana ny sabotsy 20 mey izao, ao amin’ny FJKM Ambodihady Vaovao Ambo­hi­manarina, ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny Jobily Volafotsy (faha-25 tao­na) ny sampana Sekoly Ala­hady, synodamparitany Anta­nanarivo Andrefana. Teny faneva hoentina mankalaza izany ny “Ary izay taranakao ny hanangana ny efa rava ela…” (Isa 58, 12a). Mandritra ny taona ny fankalazana ka ny sabotsy 23 septambra izao ny ivo, izay hotanterahina ao amin’ny FJKM Ambatolampy Fahazavana Ambohitriman­jaka. Alahady 16 desambra, ao amin’ny FJKM Mahitsy famonjena, ary ny sabotsy 30 desambra no hamaranana ny fankalazana.
Raha tsiahivina, sampana Sekoly Alahady synodamparitany Antananarivo Andrefana, fitambarana synodamparitany miisa dimy, tamin’ izany : Ambonin’Ampamarinana, Amparibe, Ambohimanarina, Ambohidratrimo, Isotry vangaina. Ny 16 oktobra 1996 kosa ny fivoriana voalohan’
ity sampana ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: