Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, ny katrokady hifantenana ireo atleta, hiatrika ny fampivondronana faharoa, eo amin’ny taranja ady totohondry. Nomarihin-dRanaivo Thierry, mpanazatra nasionaly, 56 no nanaraka ny fampivondronana voalohany, izay nanomboka tamin’ny 1 mey ka nifarana tamin’ny 13 mey. Ny roa isaky ny sokajy kosa sisa no tazonina amin’ny fampivondronana faharoa. Ny federasiona no niantoka iny fampivondronana voalohany iny, hoy ny filohany, Rabarisoa Hery Mamy, nanampy koa ny Ans tamin’ny fampiantranoana sy ny Komity olimpika Malagasy ary ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena, izay hitondrany fisaorana avokoa. Anisan’ny tena olana ny fampitaovana, raha ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, toy ny gants, sac de frappe sy ny maro samihafa, izay iantson’izy ireo ny minisitera mpiahy hijery akaiky.
Mi.Raz