Handball – «IHF Trophy 2023» : vonona ny Akio de Madagascar

Hotanterahina atsy Afrika Atsimo, ny 23 ka hatramin’ny 27 mey ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra fahenina eo amin’ny taranja handball (IHF Trophy 2023), sokajy vehivavy, ca­dette sy junior. Raha tsiahivina, nafindra any amin’ny faritra fahenina i Madaga­sikara sy i Sey­chelles, noho ny tsy fahampian’ireo firenena mandray anjara ho an’ny faritra fahafito.
Vonona handray anjara amin’izany ny Akio de Mada­gascar, izay efa niatrika ny fampivondronana nanomboka ny 5 mey lasa teo. Ao anatin’ny fanamafisana ny lafiny teknika sy ny taktika ary fanitsiana ireo lesoka vitsivitsy sisa ireo teknisianina eo anivon’ny federasiona ankehitriny. Hi­voaka amin’ny faran’ny herinandro ho avy izao ny ana­ran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ity fi­haonana ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitra.
Hanana ny lanjany goavana ity fihaonana ity satria hiatrika ny «IHF Trophy continental» ny ho tompondakan’ity faritra fahenina ity. Ho henjankenjana ny fihaonana miandry ny Akio de Mada­gascar, satria hifanandrina amin’izy ireo i Zambie, i Zim­babwe, i Lesotho, i Malawi ary ry zareo mpampiantrano.

Tompondaka

Partager sur: