« Ligue des Champions » : hifandona anio ny Man City sy ny Real

Hotanterahina anio alarobia, ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”, taranja baolina kitra. Ani­san’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandri­nan’ny Manchester City, An­glisy sy Real Madrid, Espaina. Izany dia hatao ao amin’ny Etihad Stadium.
Tsiahivina fa nandritra ny dingana voalohany, notontosaina tao Santiago Bernabeu, ny 9 mey lasa teo, nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta. Mbola miezaka manala vela ny anglisy satria notampahan-dRy Benzema sy ry Vinicus ary Rodrygo, mpilalaon’ny Real ny nofinofin’izy ireo tamin-taon-dasa.
Marihina fa afaka milalao amin’izay i Eder Militao, vodilaharan’ny Madrilenina. Vonona tanteraka ny hampiseho ny fahaizany mampiditra baolina kosa i Erling Haaland, lohalaharan’ny Manchester City.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: