Nisy ny fihaonan’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny faritany Toamasina, ahitana an’Alaotra Mangoro sy Atsinanana ary Analanjirofo. Fihaonana natao tetsy amin’ny kianja manara-penitr’i Barikadimy, nanomboka ny alatsinainy 15 mey lasa teo hatramin’ny alahady 21 mey. Hetsika ara-panatanjahantena, izay tarihan’ny jeneraly Rabemanantsoa Josh, kaomandim-paritanin’ny zandarimaria Toamasina.
Raha hiverenana ny lalao nandritra ny andro voalohany, tsara fiatombohana ny ekipan’ ny vondrom-paritra Atsinanana, izay tarihan’ny kolonely Ranaivoarisoa Theodule. Nampiondrika ny ekipan’ny Cirgn foibe, tamin’ny isa 3 no ho 0, izy ireo. Ankoatra izay, ny GPT Analanjirofo dia nandavo ny GPT Alaotra mangoro, tamin’ny isa 3 no ho 2. Marihina fa misy vehivavy ny ekipa tsirairay.Nambaran’ity jeneraly ity fa natao hialana amin’ny asa efa fanao isan’ andro ny hetsika ary hanamafisana ny fifandraisana ara-panatanjahantena. “Ilain’ny zandary ny kotrana toy izao”, hoy ihany izy.
Sajo