Fokontany Amparibe : vatobe nianjera tamin’ny tranon’olona

Nisy tranga fianjerana vatobe teny Ambatovinaky, fokontany Amparibe, ny alahady teo, taorian’ny orana nikija, raha ny tatitry ny BNGRC. Nanimba tranon’olona ny loza ka tsy maintsy nifindra toerana ny tompon-trano sy ny manodidina. Ni­dina ifotony ny ekipan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), sy ny filohan’ny fokontany Amparibe, Ran­driamparany Lalasoa, niaraka tamin’ny sampana mpamonjy voina ary ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra.
Nanamarika ny BNGRC fa tafiditra tao anatin’ny faritra nasiana saina mena, ma­nambara loza mitatao natao farany teo io toerana nianje­ran’ny vato io. Tokantrano 1.400 no efa voalaza fa tataovan-doza amin’ny mety ho fihotsahan’ny tany sy/na fianjeran’ny vatobe ka nametrahana saina mena amin’iny toerana avo eny Ampamarinana iny. Anisan’ny fokontany voakasik’izany ny eny Tsimia­lonjafy, Ampamarinana, Am­bonin’Ampamarinana, Tsara­faritra, Manjakamia­dana, Am­bohipotsy, Ambava­ha­dimi­tafo, Fort Voiron…
Amin’izao fotoana, mandeha ihany koa ny fanentanana ataon’ireo tomponandraikitra, mba handaozan’ireo olona rehetra mipetraka eny amin’ny faritra atahorana rehetra hialana amin’ny loza.

Tatiana A

Partager sur: