Nosokafana ofisialy, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, ny fivorian’ny Vaomiera iraisam-pirenena misahana ny lalaon’ny Nosy (CIJ). Kihon-dalana farany ho an’i Madagasikara.
Hiatrika adina farany i Madagasikara, amin’ny hahafahana na tsia, handray ny andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy. Tazana nanokatra ny fivoriana teny Ivandry, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Resampa André Haja, izay nanome toky ny CIJ notarihan’ny filohany, i Anthonio Gopal, fa efa nivonona amin’ny hoenti-manana na ara-bola na ny olona hiasa mandritra ny lalao ny fitondram-panjakana malagasy. “Tsy maintsy vitaina avokoa ny asa rehetra mbola tsy vita, saingy mila ny fanohanan’ny CIJ izahay, hahafahana manatanteraka io lalao io”, hoy ny minisitra. Nohamafisiny fa ho vita amin’ny volana jolay avokoa ireo asa ireo, toy ny “piste tartan” etsy amin’ny kianjan’ Alarobia, toy izany koa ny dobo filomanosana olympika etsy amin’ny “Complexe sportif” Vontovorona, izay iarahana miasa amin’ny orinasa manana ny fahaiza-manao amin’izany. Ankoatra izay, hohatsaraina ny dobo filomanosana ANS.
Hatolotra ofisialy anio ny “logo” sy ny hira faneva
Etsy ankilany, efa milamina avokoa ny hotely hipetrahan’ny delegasiona vahiny rehetra. Miroso i Madagasikara amin’ny fandraisana ity lalao ity, hoy hatrany ny minisitra. Hatao anio, eny amin’ny CCI Ivato, ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ny sary famantarana sy ny hira fanevan’ity andiany faha-11 ny lalaon’ny Nosy ity. Manan-danja be ity fivoriana ity, hoy kosa ny filohan’ny CIJ, i Antonio Gopal, izay niantso firaisain-kina ho an’ny mpivory rehetra. Andaniny, nahatsapa Randrianasoloniaiko Siteny, filoha lefitry ny COJI fa betsaka ny olana nosedraina saingy niezaka ny rehetra niasa sy nandingana izany “Na nilaza aza aho fa kely ny taha hahafahantsika mandray ny JIOI 2023, manana finoana aho fa rehefa miray saina ho an’ny tombontsoa iraisana dia vita io”, hoy ny nambarany. Amin’ny alahady 21 mey no hifarana ity fivoriana ity, ka tena andrasan’ny maro, indrindra ny atleta ny fanapahan-kevitra horaisin’ny CIJ mandritra izany. Ho fantatra amin’io ihany koa ny isan’ny taranja hifaninanana sy ny toerana hanaovana izany tsirairay avy.
Mi.Raz