Hotanterahina manomboka rahampitso 20 ary haharitra hatramin’ny 28 mey ho avy izao, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2023), ho an’ny sokajy vehivavy amin’ny rugby lalaovina olona 15. Efa vonona tanteraka ny Makis Ladies hiatrika ny fifaninanana. Marihina fa firenena efatra no hiady lohany amin’ity fifaninanana ity, i Madagasikara, i Kenya, Cameroun ary i Afrika Atsimo.
Hifanandrina voalohany amin’ny Malagasy i Kenya. Efa manao “mis au vert” ao amin’ny ivontoeram-piofanana Andohatapenaka vehivavy ny mpilalao malagasy, ary efa nanoman-tena hatramin’ny volana febroary.
Ankoatra izay, efa eto an-tanindrazana ilay mpilalaon’ny Racing 92 Frantsa, Jeanne Sorin Marie Louise. Nantsoina hanatevin-daharana ny Makis ity vehivavy mila ravinahitra any Frantsa ity. Araka ny fanambarana nataon’ ny filohan’ny Malagasy Rugby, Rakotomalala Marcel, handraisana fepetra henjana ary ampiakarina amin’ny tribonaly, izay mikasa ny hanakorontana io Can io, indrindra fa ny filazana fa hisy fifidianana filohan’ny federasiona, ny andron’io sabotsy 20 mey io.
Fitia (Mpianatra asa)