Nandihizan’ny Manchester City, Anglisy na ny “Skyblues”, ny kianjan’izy ireo, ny alarobia lasa teo. Izy ireo no tafita hiatrika ny lalao famaranana, fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023” (LDC), taranja baolina kitra. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa mavesatra, 4 no ho 0, ny Real Madrid, Espaniola, teo amin’ny manasa-dalana miverina. Fihaonana notanterahina tao amin’ny Etihad Stadium.
Afa-bela tanteraka ny ekipa anglisy, ny madrilenina no nanapaka ny nofinofin’izy ireo teo amin’ny manasa-dalana, ny taona 2022. Araka izany, hifanandrina amin’izy ireo amin’ity dingana farany ity, ny Inter Milan, Italianina, ny sabotsy 10 jona ho avy izao, any Istanbul. Tsiahivina fa, efa 12 taona lasa no nihaona farany ny Manchester City sy ny Inter Milan. Raha ny hita, intelo nifanandrina ny roa tonta, raha toa ka indroa nandavo ny Anglisy ny Italianina.
Marihina fa fanindroany amin’io ity ekipa anglisy ity no hanao lalao famaranana, saingy tsy mbola nahazo ny amboaran’ny LDC mihitsy izy ireo.
Fandresena in-100 ho an’i Pep
Ankoatra izay, nahavita fahombiazana tsara ho azy i Pep Guardiola, mpanazatran’ny Man City tamin’ny lalaon’ny LDC hatramin’izay. Araka ny fikarohana natao, ny tenany no mpanazatra fahatelo nahatratra fandresena in -100, teo amin’ny tantaran’ny LDC, raha toa ka i Alex Ferguson (in -103) sy Carlo Ancelotti (in-106) no eo alohany. 53 taona ity mpanazatra espaniola ity, ary efa nitondra ny ekipan’ny FC Barcelone, Espaniola sy ny FC Bayern, Alemà.
Fitia (Mpianatra asa)