Tafita amin’ny dingan’ny manasa-dalana, i Hichim, misolo tena ny Malagasy, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam-Poèsie”, atao any Belleville, Frantsa.
Miisa 12 izy ireo no tafita hiatrika izany dingana izany. Ny dingan’ny manasa-dalana izay tanterahina anio, amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Madagasikara. Na nisy aza ny sazy nahazo an’ity solontenan’ny Malagasy ity, teo amin’ny tsy fahafehezana ny fotoana nandritra ny dingana voalohany dia tafita amin’ny dingana manaraka ihany izy.
Mitohy ny dia ho an’ny solontena malagasy miady ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam-Poèsie”. Hichim izay anisan’ny nampiaiky ny mpitsara sy ny mpijery, nandritra ny dingana voalohany, ary anisan’ny Afrikanina tafakatra amin’ny dingana faharoa miaraka amin’ny solontenan’i Côte d’Ivoire, Bérénice Saraka. Mpiangaly Slam avy ao Eoropa 8 sy avy amin’ny faritra Caraibe iray ary avy any Canada iray. Ireo no hifaninana amin’i Hichim ao anatin’izao dingan’ny manasa-dalana izao. “Vonona hatrany hanohy ny ezaka efa natomboka ary hiezaka hanatsara ny efa vita teo aloha”, hoy i Hichim.
Misy ny fifampizarana eo amin’ny samy mpandray anjara ao anatin’izao fifaninanana izao. Hisy ny seho sy atrikasa hataon’i Hichim, miaraka amin’ny mpiara-miasa amin’ny fikambanana Madagaslam, aorian’izao fiadiana ny amboara eran-tany izao.
Lin (Mpianatra asa)




