Seho telo hatramin’izao no fantatra fa hotontosain’ny tropy Rasoalalao Kavia, any Frantsa. Ny zava-dehibe dia efa manana ny toerany eo amin’ny iraisam-pirenena ny hiragasy…
Vaovao lehibe nahafaly ny maro! Hisy fampisehoana hiragasy any Frantsa… Raha mpanakanto sy tarika malagasy, maro ireo misongadina eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena, no fandre. Tsy dia fahita firy kosa, na dia efa nisy aza, ny tropy mpanao hiragasy iray manontolo, mandray anjara amina hetsika iraisam-pirenena any ivelany.
Efa any Frantsa amin’izao fotoana izao ny tarika Rasoalalao Kavia. Voaasa handray anjara amin’ilay hetsika “Festival de l’Imaginaire” andiany faha-26, izay hotontosaina ao amin’ny Théâtre équestre, any Aubervilliers, izy ireo. Hanandratra avo an’i Madagasikara amin’ ny alalan’ny kolontsaina sy ny zavakanto, satria anisan’ny manokatra ity hetsika lehibe ity ry Rasoalalao Kavia sy ny tropiny.
Miisa 12 ireo mpanakanto mandrafitra ny tropy any Frantsa, izay tarihin-dRasoalalao Pâquerette. Avy amina fianakaviana mpanao hiragasy hatramin’izay, avy any Ampahimanga, izy ireo. Mahafeno ny fepetra rehetra amin’ny fampisehoana hiragasy toa ny fahita aty ihany ny seho hentin’izy ireo. Ny hampiavaka azy dia tsy ny Malagasy irery no mpijery, ary izay indrindra no tanjona amin’ny hetsika. Mialoha ny “Festival de l’Imaginaire”, efa hisehatra any amin’ny Théatre Graslin any Nantes izy ireo, ny talata 23 mey izao.
Hetsika karakarain’ny Maison des Cultures du monde ny «Festival de l’Imaginaire», nanomboka ny taona 1997. Tanjon’ny mpikarakara ny haneho ny harena ara-kolontsaina misy maneran-tany, amin’ny alalan’ny talentan’ireo mpanakanto maro. Fanomezana sehatra ihany koa ireo mpanakanto maneho ny kanto mampiavaka ny fireneny, izay mety tsy ho hita amina sehatra hafa mihitsy. Saika misy tarika malagasy mandray anjara foana amin’ity hetsika ity, fa amin’ity kosa hanana ny anjara toerany ny hiragasy.
Tsiahivina hatrany fa efa nanomboka ny taona 2019 no natao ny dingana rehetra hampidirana ny hiragasy ho anisan’ny harembakoka ara-tsain’ny zanak’olombelona. Efa anatin’ny fandinihana izany ny komity teknika eo anivon’ ny Unseco, ka antenaina hivoaka mialohan’ny faran’ity taona ity ny fanapahan-kevitra.
Zo ny Aina




