Fitendrena gadona Ba Gasy: hizara ny fahaiza-manaony i Liva Ramorasata

Tanterahina anio, tolakandro, eny amin’ny ivontoeran’ ny Academie Nationale des Arts et de la Culture na ANAC Anosy, ny “Atrikasa Piano Ba Gasy”, karakarain’ny ANAC. Fampiofanana sy fampianarana ny fitendrena ny Piano, amin’ny gadona
Bagasy, iarahana amin’i Liva Ramorasata, mpampianatra sy mpandalina mozika, no hameno ny fandaharam-potoanan’ ny atrikasa. Miray vina ny fikambanana miangaly ny
BaGasy sy ity ivontoeram-panofanana ity ao anatin’izao hetsika izao, ny hanandratana sy hampiroboroboana hatrany ny gadona sy ny kolontsaina Malagasy.

Liva Ramorasata, mpampianatra sy mpikaroka eo amin’ny sehatry ny mozika no hitondra ny traikefany sy ny fahaiza-manaony ao anatin’ity atrikasa fanofanana ity. Ny fomba fitendry sy paikady atao amin’ny fitendrena piano, amin’ny gadona BaGasy, no ampianarina sy ampiofanina mandritra izany. Hisy ny marika atolotra ny mpiofana any amin’ny fiafaran’ny atrikasa. Marika fanamarihana nahavitana fiofanana izay eken’ny fanjakana.

Natao ho an’ny rehetra ary misokatra ho an’ny rehetra ny atrikasa. Tanjona manokana ao anatin’izao hetsika izao ny fanandratana ny gadona BaGasy. Ity gadona ity izay mampiavaka an’i Madaga­si­kara. “Mihamaro ary efa betsaka ny tanora misehatra eo amin’ny Ba Gasy, na ny mihira izany na ny mitendry. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fampitana ny fanilo amin’ny tanora izao hetsika izao mba hahafahan’ izy ireo manandratra avo ny Ba Gasy.” Hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ny fikambanana Sehatra Ba Gasy. Mbola hitohy ary hihamaro ny hetsika sahala amin’ izao, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra roa tonta.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: