«Festival» any Italie : loha-lisitra amin’ireo mpanakanto Rajery

«Festival internazionale delle Abilità Differenti». Io no anaran’ilay hetsika goavana hatao any Carpi, Italia, rahampitso alahady 21 mey. Nam­pita vaovao avy any an-toerana Rajery, izay Malagasy mpanakanto anisan’ireo loha-lisitra amin’ity hetsika ity. “Natao hanehoana ny talen­tan’ireo olona manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina nefa tena mahavita zavatra mahavariana ny hetsika. Hizara telo ny fampisehoana, ka ny tapany voalohany no hataon’ireo olona ma­na­na fahasembanana, taizan’ ny Nazareno Cooperative, mpikarakara. Ny tapany faharoa kosa, Rajery miaraka
amin’ireo mpandihy matihanina aty Italie. Ny tapany Fa­hat­elo Rajery Trio, satria miaraka amiko aty i Zo eo amin’ ny amponga ary i Jery eo amin’ ny gitara”, hoy Rajery.

Efa nisy fampisehoana tokony notontosain’izy ireo ny alakamisy teo, saingy nofoanana izany noho ny orambe tany an-toerana. Nisy kosa ny fitsidihana sy fihaonana tany amin’ny toerana hiasan’ireo olona manana fahasembanana, ka hisy amin’izy ireo no hanao hosodoko mandritra ny fampisehoana hataon-dry Rajery.

Zo ny Aina

Partager sur: