Hatramin’izao, misy hatrany ny misisika sy mikiry biby ny amin’ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita. Eny, na efa samy naneho hevitra aza ny ankamaroan’ny mpanao politika. Na eo anivon’ny fitondrana sy ny mpomba azy io, na ny eo amin’ny fanoherana. Samy miaiky sy manaiky ny maro fa tsy ilaina ary tsy mahasoa ny firenena mbamin’ny fiainam-bahoaka izany fitondrana Tetezamita izany. Ireo matahotra fifidianana sy mitady seza tsy amin’ny alalan’ny fifidianana no hoe mila Tetezamita. Mahita ry zareo fa misy krizy politika eto.
Amin’izany, efa ataon’ny sasany firesaka etsy sy eroa fa krizy sosialy sy toekarena no misy sy iainana amin’izao. Saika maneran-tany io, fa tsy eto Madagasikara ihany. Eo ny takaitra navelan’ny fihibohana tamin’ny ady tamin’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19, ny dona amin’ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny famokarana… Izany no hoe krizy politika? Manampy trotraka ny krizim-piarahamonina noho ny tsy fandriampahalemana, fanaovana herisetra, ny fihanaky ny zava-mahadomelina, ny ady tany, ny fisandohana sy fisolokiana…
Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina ny fahasahiranan’ny vahoaka ifotony amin’izao; eny, na eo aza ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana: fanorenana fotodrafitrasa, fampitomboana sy fanamorana ny famokarana isan-tsehatra, fizarana karazana fanampiana… Ho voavaha sy hilamina amin’ny fikaonandoham-pirenena ve ny fahasahiranana? Na amin’ny fidirana amin’ny fitondrana Tetezamita, na amin’ny fanitsiana na fanovana lalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana, na amin’ny fanoloana ny mpikamban’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) sy ny Ceni…
Resaka ka atao sy ampiadiana? Na mby amin’ny hoe samy manana izay zava-dehibe aminy sy mahamaika azy… Tsy azo odian-tsy hita na anaovana tari-dositra izay fahasahiranam-bahoaka izay: efa natao laharam-pahamehana rahateo. Eny, na eo aza ny fanorenana fotodrafitrasa, fampandrosoana, fifidianana… Tsy afa-miala amin’izay fahasahiranana izay ny mpanao politika? Tsy mahagaga raha mitady vahaolana ho azy amin’ny fitadiavana sy fangirihana seza, na efa antomotra aza ny fifidianana… tsy azo hodivirana. Krizim-piarahamonina no misy amin’ny resaka tsy ifankahazoana?
R. Nd.