Fehin-kevitry ny IDC-CDI : “Atsaharo ny fandikan-dalàna sy ny sakantsakana”

Miantso ny governemanta hampitsahatra ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana momba ny fahalalahana mivory ny “Internationale démocrate centriste – IDC CDI”, tamin’ny fivoriambe nataon’izy ireo, tany Bled Slovénie. Hentitra izy ireo ny amin’ ny hanajana ireo lalàna sy fepetra rehetra amin’ny fanomanana ny fifidianana. “Atsaharo ny fandikan-dalàna. Antoka ahatongavana amin’ny fifidianana malalaka, mangarahara ary demokratika izany ka hanairana ny Ceni”, hoy ny fanambarana. Nankatoa­vin’ izy ireo, IDC CDI, ny tsoa-kevitry ny MMM manoloana ny tsy fahatomombanana maro mialohan’ny fifidianana amin’ity taona ity. Anisan’ izany ny fanitsakitsahan’ny fanjakana ny fahalalahana mivory, ny zon’ireo parlemantera… Nohelohin’ny IDC-CDI koa ny tsy fahatomombanana amin’izao mialoha ny fifidianana filoham-pirenena izao, niainga avy amin’ny tatitra nataon’ny MMM. Eo ny tsy fahampian’ny mangarahara amin’ny fanomanana ny fifidianana monisipaly sy ny tsy fahatomombanana amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. “Hanilika ny iray ampahatelon’ny mpifidy amin’ny zotram-pifidianana izany”, hoy ny fanambarana.

Tsiahivina fa vondrona politika iraisam-pirenena ivon­dronan’ireo antoko avy amin’ny hery afovoany “Cen­tris­tes”, kristianina ary demokraty ny IDC-CDI, ka mpikambana ao anatin’izany ny MMM.

Synèse R.

Partager sur: