Ratsy fanombohana ny Makis Ladies de Madagascar, tamin’ity fifaninanana “Rugby Africa Womens Cup 1st division 2023” ity. Lavon’i Kenya, tamin’ny isa 29 no ho 20 ny ekipam-pirenena malagasy,
nandritra ny andro voalohany.
Tsy dia tsara ny vokatra ho an’ny XV Makis Ladies de Madagascar nandritra ny andro voalohan’ny fifaninanana “Rugby Africa Womens Cup 1st Division”. Niondrika teo anatrehan’i Kenya, tamin’ny isa 29 no ho 20, ny ekipam-pirenena malagasy. Lalao notanterahina tao amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 20 mey lasa teo. Nanjaka tanteraka ny ekipan’i Kenya, ny fizaram-potoana voalohany satria izy ireo no nahatondra baolina nentin-tanana voalohany raha toa ka baolina CCP, tafiditr’i Cora, ny minitra faha-7 no isa azontsika. 17 no ho 3 ny isa nentina niala sasatra, mitarika ny Simbas. Niezaka nanova paikady ny mpanazatran’ny Makis Ladies. Nahomby avy hatrany izany satria nahatondra baolina nentin-tanana i Ginah, ny minitra faha-4, fizaram-potoana faharoa, ary voatsaran’i Cora izany ka lasa “essaie transformée”.
Taorian’io, nahatonga “essaie” ihany koa ny ekipan’i Kenya, ny minitra fahafito.
Sivy minitra taorian’izany (15 min), nahatondra “essaie” indray i Zaya, mpilalao malagasy saingy tsy voatsara izany.
Somary sahirana ny mpilalaon’i Kenya, saingy nahatsindry baolina na “essaie” indray izy ireo, ny faha-25 minitra. Nanindry tanteraka ny Makis vehivavy ka nanatanteraka tsipitsipy mahafinaritra, ary nahatsindry baolina i Miora, ny minitra faha -35.
Azo lazaina fa tsara ny lalao nasehon’ireo Makis Ladies, tsy nitsanga-menatra ireo mpijery malagasy.
Resin’i Afrika Atsimo, tamin’ny isa 89 no ho 0, i Cameroun
Ankoatra izay, nomontsanin’ny Springboks, Afrika Atsimo, tamin’ny isa mavesatra 89 no ho 0, ny Liona tsy voafolakan’i Cameroun. Araka izany, ny ekipan’i Afrika Atsimo no mitana ny laharana voalohany, ary izy ireo no manana “bonus offensif’ sy “defensif” betsaka indrindra.
Fitia ( Mpianatra asa)
Hoy izy ireo
Tsinjo Natiora, mpanazatra XV Makis Ladies
“Vita iny ny lalao voalohany, mbola hita lesoka ho antsika ny vatana. Nitambesatra tamin’ireo mpilalao sasany ihany koa ny harerahana, miampy ny tsy fifantohana ka lasa tsy manaraka ny toromarika apetraky ny mpanazatra. Azo lazaina fa nanome ny tsara indrindra avy aminy daholo ny mpilalaontsika. Manome toky ny Malagasy rehetra anefa izahay fa hanome ny hery rehetra mba hahafahanay mandresy ny Kameronina, ny alarobia ho avy izao.”
Sheila Chajira, kapitenin’i Kenya
“Tsara fiatombohana izahay, manana tombony amin’ny resaka hakingana ny mpilalao malagasy saingy nahita vahaolana ny hitazomana azy ireo ihany izahay. Mbola lavitra ny lalana, ary hiezaka ny haka fandresena ny Simbas amin’ny lalao faharoa, hihaonanay amin’i Afrika Atsimo.”