Nisongadina nandritra ny fivoriana ny fanapahana ny isan’ny taranja hifaninanana, ka tapaka tamin’izany fa mihena ho 17 ireo taranja handraisana anjara (Atletisma/handisport, Basket-ball 5×5, Basket-ball 3×3, Ady totohondry (lehilahy), Badminton, Tenisy ambony latabatra, Baolina kitra (lehilahy), hazakazaka am-bisikileta, fibatana fonjam-by, Handball, Judo, Tolona, lomano/handisport, Rugby 7, Karate, tsipy kanetibe, tenisy, Volley-ball). Tafiditra ao anatin’ny hetsika hatao amin’io lalaon’ny Nosy io ihany koa ny “volet jeunesse. Araka izany, taranja 12 no najanona tsy ho anisan’ny hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy ho avy ity (Baolina kitra (vehivavy), Rugby 15, Beach Soccer, Beach Volley, Ady totohondry (vehivavy), Kick boxing, Taekwondo, 3000m steeple atletisma, surf, Voile, Equitation, Tir à l’arc).
Nanambara ny filohan’ny CIJ, i Anthonio Gopal, fa be loatra raha toa ka 23 ny isan’ny taranja ho an’ny lalaon’ny Nosy. Notsiahiviny, fa 17 ihany koa ny tamin’ny lalaon’ny Nosy farany, natao tany Maorisy. Araka ny fantatra, eto Antananarivo sy any Vontovorona ary eny amin’ny Analamanga Parc no hanaovana ireo taranja 17 nosafidiana sy niarahan’ny firenena mandray anjara nanapaka ireo.
Afaka ny ahiahy!
Raha hiverenana ny fivoriana natao teny Ivandry, nandritra ny 4 andro, azo lazaina fa fahombiazana hoan’ny firenena malagasy satria efa feno izany izao ny fepetra hilazana fa hatao eto Madagasikara ny 23 aogositra hatramin’ny 5 septambra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Eo amin’ny lafiny fanatsarana ny fotodrafitrasa izay mbola mila hatsaraina sy mila fanamboarana no ilàna fiombonana, araka ny nambaran’ny minisitra Resampa André Haja. Niaraka nijery izany, ireo mpivory sy ny COJI ary ny CIJ, nanomboka ny sabotsy lasa teo sy omaly alahady. Samy nanome toky ny hifanampy , na ny CIJ, na ireo Nosy rahavavy, na ny Komity olympika malagasy, fa indrindra ny fitondram-panjakana.
Mi.Raz