Ela no niandrasan’ny rehetra azy fa izay vao tonga. Nahafaty ny baolina voalohany ho azy Rakool, tao amin’ ny Mouloudia Alger. Ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianja Nelson Mandela, tao Alger, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana nikatrohan’ ny ekipany sy i Sahara andrefana, tafiditra ao anatin’ ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Front Polisario. Baolina matiny teo amin’ny minitra faha-79. Tsiahivina fa nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa, 6 no ho 1 ny Mouloudia.
Mbola mitsahatra mandritra ny 3 herinandro ny fiadiana ny ho tompondakan’i Algerie ka nohararaotin’ny tomponandraikitry ny Mouloudia, hitazonana ny tanjak’ireo mpilalaony izao fihaonana izao. Marihina fa lalao 4 tamin’ireo 7 nataon’ny Mouloudia, ao anatin’ny fifaninanam-pirenena Alzerianina no nataon-dRakool saingy tsy mbola nahafaty baolina izy.
Tsiahivina fa ny volana febroary lasa teo, no nanatevina ny Mouloudia Alger, Razafindranaivo Koloina, taorian’ny zava-bitany tsara, nandritra ny “Chan 2023” ka nahazoan’ny Barea, ny laharana fahatelo ka niambozonany ny medaly alimo.
Tompondaka