Nikarakara fifanakalozana niaraka tamin’ny tanora 15 solontenan’ny faritra momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora (SRA) ny Coalition droit de disposer de son corps et les droits et santé sexuelle et reproductifs- Forum génération égalité, ny herinandro lasa teo.
Nifotoran’ny fifampizarana ny zava-misy momba ny fananahana ara-pahasalaman’ny tanora any amin’ny faritra sy any ambanivohitra, hoy ny mpikambana ao amin’ ny Coalition, Ramparaoelina Tendry, teny Mahavoky-Besarety. Mbola fady ho an’ny fianakaviana maro ny firesahana ny fananahana ara-pahasalamana eo anivon’ny tokantrano ka tsy mahazo vaovao marim-pototra ireo zatovo sy ny tanora. Ny zava-misy anefa, miroso aloha amin’ny firaisana ara-nofo ny zatovo malagasy satria zatovovavy iray amin’ny telo no efa niteraka mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana.
Efa misy ny CSB sakaizan’ ny tanora
Misy ny CSB sakaizan’ny tanora manana mpitsabo napetraka manokana hanoro hevitra sy handray an-tanana azy ireny rehefa tonga eny. Matetika koa ireo zatovo mihitsy no tsy sahy manatona eny amin’ny tobim-pahasalamana noho ny tahotra sy ny fanilikilihana raha mila torovehitra. Efa manan-kery ny lalàna momba ny fananahana ara-pahasalamana laharana 2017-043 milaza ny fahazoan’ ny rehetra misitraka tolotra momba ny fananahana ara-pahasalamana sy ny fandrindram-piterahana, tsy anavahana taona.
Dingana manaraka hirosoan’ny Coalition ny ady sisika hidiran’ny fananahana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina sy any an-tsekoly. Mila havaozina ny fandaharam-pianarana atolotra ny mpianatra izay mandray ny resaka fananahana ara-pahasalamana ho fady ka mandrisika ny zatovo tsy hiroso amin’ny firaisana ara-nofo mialoha ny fanambadiana. Ilaina koa anefa ny mampahafantatra azy ireo ny fomba fiarovan-tena hisorohana ny vohoka aloha loatra na tsy niriana sy ny tsy hahazoana aretina avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro.
Telo ny tanjon’ny Coalition: fahazoan’ny tanora misitraka tolotra ho an’ny fananahana ara-pahasalamana sahaza ho azy sy ny fanabeazana mifandraika amin’izay. Farany ny fanaovana ady sisika tsy ho voasazy ny olona mampitsahatra vohoka noho ny antony ara-pahasalamana, ny vokatry ny fanolanana nataon’ny olom-pady na olon-kafa.
Vonjy A.