Nofaranana teny amin’ny Lycée Français Ambatobe, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana “Rallye mathématique” andiany faha-19. Ekipa valo isaky ny sokajy no niatrika ny dingana famaranana, nandraisan’ ny faritra enina anjara, tamin’ ity taona ity. «Fifaninanana matematika famahana olan’ny fiainana andavanandro ny «Rallye mathématique» ka hizarana ny ankizy mpianatra hiaina ny matematika», hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpampianatra taranja matematika eto Madagasikara (Gemma), Ramahazosoa Irrish Parker, teny Ambatobe. Fampianarana ny taranja amin’ny fomba hafa ny lalao sady hampiroboroboana ny fitiavan’ny ankizy ny taranja matematika satria tsy azo ialana mihitsy amin’ny seha-piainana rehetra.
Mizara sokajy efatra ny mpifaninana teny anivon’ny sekoly. Sokajy A mpianatra 6ème -5ème, sokajy B mpianatra 4ème -3ème, sokajy C kilasy seconde, 1ère sy famaranana tsy siantifika, sokajy D misy mpianatra 1ère sy kilasy famaranana siantifika. Mpianatra 244 (11-17 taona) avy eto Antananarivo, Antsirabe, Mahajanga, Taolagnaro, Toamasina, Fianarantsoa no nifaninana. Teto Analamanga, 44 ny sekoly nifaninana ary niakatra isan-taona ny isa. Niato nandritra ny fiparitahan’ ny valanaretina Covid-19 ny fifaninanana ary niverina tamin’ity taona ity.
Avo ny fari-pahaizan’ny mpianatra nifaninana, hoy ny fanazavana azo. Nisongadina tamin’ny sokajy A ny mpianatra avy amin’ny Nicolas Barre Toamasina. Lasan’ny Lycée Joyeux Lurons eto Antananarivo ny voalohany ho an’ny sokajy B. Claire Fontaine any Taolagnaro no nandrombaka ny voalohany ho an’ny sokajy C ary mbola ny Claire Fontaine fa eto Antananarivo no nisongadina ho an’ny sokajy D. Nanotrona ny lanonana fizarana ny loka ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Guillois. Nanambara izy fa havanana amin’ny matematika ny Malagasy ary tsy vitsy ireo efa nisongadina amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Vonjy A.