Toetry ny andro : hanomboka anio ny kongresy maneran-tany faha-19

Hanomboka anio ary hifarana ny 2 jona izao ny kongresy maneran-tany faha-19 momba ny toetry ny andro. Handray anjara amin’izany i Madaga­si­kara amin’ny alalan’ny fandraisana anjara ampitain-davitra ho an’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanatrika izany mivantana kosa ny solontena maharitry ny Repoblika malagasy eo anivon’ny Fire­nena mikambana any Genève (Suisse). Isaky ny efa-taona no fanatanterahana izany kongresy izany.
Halefa mivantana ao amin’ ny fantsona ny fivoriana.
Ho amin’ity taona ity, hifantoka amin’ny fijerena akaiky ny laharam-pahamehana stratejika hampiroboroboana tontolo afa­ka miatrika sy miarina manoloana ny karazana tranga ara-toetr’andro sy toetry ny rano ma­hery vaika ary ireo tranga hafa mifandraika amin’ny tontolo iainana ny fihaonana. An­isan’ny lohahevitra lehibe hodinihina mandritra izany ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana ambony hanatanterahana ilay vinan’ny Firenena mikambana hahafahan’ny olona tsirairay hisitraka ny atao hoe fampitandremana mialoha amin’ny taona 2027.
Anisan’ireo firenena 30 voalohany voafidy hampiharana izany i Madagasikara ka handray anjara fitenenana ampitain-davitra ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, anio. Hi­om­pana amin’ny fanafainganana sy fanamafisana ny hetsika mi­fandraika amin’izany any amin’ ireo firenena tsirairay ny ady he­vitra hotanterahan’ireo ma­nam-pahefana ambony ireo.

Fandaharam-potoana koa ny fifidianana izay ho filoha sy ny filoha lefitra ary ny sekretera jeneraly vaovaon’ny Fikam­ba­nambe iraisam-pirenena misahana ny toetry ny andro.

Vonjy A.

Partager sur: