Tao anatin’ny hafaliana ny nankalazana ny nahazoan’i Michèle Rakotoson ny « Prix Orange de Livre d’Afrique » andiany fahadimy. Mitohy ny ezaka ary misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny boky sy ny vaky boky.
Tontosa omaly, teny Ankorondrano, ny lanonana fankalazana ny nahazoan’i Michèle Rakotoson, ny amboaran’ny « Prix Orange de Livre d’Afrique » (Pola), andiany fahadimy. Olo-manan-kaja maro no nanatrika izany lanonana izany ho fanomezana voninahitra ity mpanoratra mitondra avo ny anaran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity. Niverenana natolotra an’i Michèle Rakotoson, ny amboaran’ny Pola andiany fahadimy sy ny taratasim-bola 10.000 Euros, amboara amin’ny maha mpandresy azy. « Mitohy ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny boky sy ny famakiana izany, ary misokatra ho an’ny rehetra ny fiaraha-miasa », hoy i Michèle Rakotoson.
Nanokatra ny lalana ho an’ny Malagasy mpanoratra rehetra izao fahombiazana izao. Izany indrindra no nilazan’i Michèle Rakotoson fa ho an’ny fanoratana malagasy izao fandresena izao fa tsy mijanona ho azy irery ihany. Lanonana nolaroina fiantsana ny sombiny amin’ny tantara « Ambatomanga » sy famerenana fanolorana ny amboara no nentina nankalaza izany fahazoana ny laharana voalohany tamin’ny Pola andiany fahadimy izany. « Mendrika ny hahazo asa soratra miavaka sy manana ny maha izy azy ny Malagasy, indrindra ny mpamaky boky », hoy i Michèle Rakotoson. Ireny rehetra ireny no nanosika azy handalina sy hikaroka mba hahazoana tantara miavaka sy manana ny maha izy azy sahala amin’ity « Ambatomanga » ity.
Nidera ny finiavana sy ny fahafoizan-tenan’i Michèle Rakotoson ny mpanohana sy ny mpiray ombon’antoka taminy, ny amin’izao vokatra tsara azony izao. Nisy ny fanohanana azy amin’ny ezaka ataony amin’ny fampiroboroboana ny asa soratra sy ny vaky boky.
Lin (Mpianatra asa)