Volan’ny teny malagasy : hisy ny fifaninanana manoratra

Volana jona, « Iray volan’ ny teny malagasy ». Hana­tanteraka fifaninanana mamorona sorakanto (lahatsoratra tsotra na poezia) amin’ny teny malagasy ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Mala­gasy. Misokatra ho an’ny rehetra ny fifaninanana ka hosokajiana roa ny mpandray anjara : latsaky ny 18 taona sy ny lehibe mihoatra ny 18 taona. « Teny velona sy manana ny hasiny ny teny malagasy » kosa ny lohahevitra ho an’ity fifaninanana ity. Laha­tsoratra iray ihany no azon’ny mpifaninana alefa, ka tsy mihoatra ny 14 an-dalana ary tsy voatery hiady rima raha poezia. Azo hatao amin’ny andrika isehoany any amin’ny faritra tsirairay.
Aterina ao amin’ny Foibe momba ny teny, Tahala Rari­hasina Analakely, alohan’ny 20 jona izao na alefa paositra ny sanganasa hifaninana. Ny folo voalohany isa­ky ny sokajin-taona no mahazo loka.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: