Iray volana latsaka sisa, hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ny mpianatra ny 20 jona ho avy izao.
515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Eto Antananarivo, manana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 ireo mpiadina ary miparitaka amin’ny ivontoeram-panadinana 411. Ho an’i Toliara, 47 310 ireo hiatrika ny fanadinana amin’ny ivontoeram-panadinana 199. Ahitana mpiadina miisa 66 174 i Mahajanga izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana miisa 268. Antsiranana manana mpiadina 53 740, mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 169. Ary Toamasina, 83 263 ireo mpiadina hizarazara amin’ny ivontoeram-panadinana 376.
Eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, 27 862 ny isan’ny mpiadina hitsinjara amin’ny foibem-panadinana 43, manana efitrano 680. Nidina 0,73% ny isan’ny mpiadina raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa.
Misy mpiadina vahiny efatra ny BEPC
Mahakasika ny fanadinana BEPC, mpiadina 305 836 no hiatrika izany amin’ity taona ity izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 9054, mpiadina teratany vahiny ny efatra amin’ireo ary mpiadina 47 kosa no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Mpiadina 149 956 no nisafidy ny sokajy A, raha 155 880 no nisafidy ny sokajy B. Eto amin’ ny Cisco Antananarivo Renivohitra, mahatratra 25 001 ny mpiadina, hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35, manana efitrano 632. Mpiadina 21 218 nisafidy ny sokajy A raha 3783 ny sokajy B.
Vonjy A.