Manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Efa eo am-panomanana izany ny ankamaroan’ny sekoly satria efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana, raha nanontaniana. Ankoatra izay, vonona ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pitaovana avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana.
Nahavita ny fanadinana andrana andiany voalohany avokoa ireo mpiadina tamin’ny tapa-bolana lasa teo. Eo am-panomanana ny andrana faharoa, hatao ny 30 mey ho avy izao, izy ireo. “Hamafisina amin’ny andrana faharoa ny sain’ireo ankizy mba tsy hanano sarotra ny fanalana sy fiatrehana ny fanadinana”, hoy ny lehiben’ny Cisco Antananarivo, Ramananantony Harintsoa Lalaina, raha nanontaniana, omaly. Nilaza izy fa afaka miaina sy miomana ara-tsaina, ara-batana ny fomba fanalana fanadinana sahady ireo ankizy ny anton’izany. “Ezahina tafiditra amin’ireo andrana ireo avokoa ny fandaharam-pianarana rehetra tany an-tsekoly”, hoy hatrany izy. Mba tsy hanampoka ny sain’ireo ankizy rahateo rehefa tonga ny fanadinam-panjakana. Tanjona ny hahazoana voka-panadinana tsara kokoa eto anivon’ny Cisco Antananarivo, raha ny fanazavana hatrany.
Mino (mpianatra asa)