Amin’ny maha Nosy antsika, ilaina ny fifehezana ny teny anglisy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, nandritra ny famoahana ireo mpianatra 41 mianadahy nahavita fiofanana momba ny teny anglisy…
Notolorana mari-pahaizana, omaly, ireo mpianatra 41 mianadahy, nahitana sivily sy miaramila, nandalina manokana ny teny anglisy nandritra ny enim-bolana, tao amin’ny ivontoeram-pampianarana teny vahiny ao amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN). Ankehitriny, ny teny anglisy dia anisan’ny teny iraisam-pirenena efa ampiasaina ifandraisan’izao tontolo izao ary mampiasa azy avokoa ny firenena rehetra, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Nanotrona ity lanonana ity ny Seg sy ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ary ny tomponandraikitry ny fiarovana eo anivon’ny masoivoho amerikanina eto Madagasikara. “Ilaina tokoa ny fifehezana teny anglisy amin’ny maha Nosy antsika. Manana tenindrazana isika nefa tsy afaka hiolonolona fotsiny eto amin’ny tanintsika fa tsy maintsy manana fisokafana sy miara-miasa amin’ireo firenena hafa”, hoy hatrany ity manamboninahitra jeneraly ity. Tombony lehibe, araka izany, ny fahaizana mifehy ny teny vahiny. Hahafahana mametraka ho ambony toerana mandrakariva ilay teny filamatra hoe : “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”.
Jean Claude