Toy ny fanao isan-taona, notanterahina ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny farihin’ Anosy, ny “Atletisma ho an’ny rehetra”. Hetsika nokarakarain’ny federasiona malagasy (FMA). Fahombiazana satria 740 mianadahy mianaka, ankizy mpianatra avy amin’ny sekoly miisa 12 sy olon-tsotra ary atleta, no nandray anjara. Notsiahivin-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona fa hanentanana ny olona hankamamy ny hazakazaka ka nampirisihiny ireo rehetra liana, ho lasa atleta ka hiditra amin’ny fifaninanana ofisialy. Araka izany, nisy ny fifaninanana nataon’ireo kilonga 6 – 12 taona “kid’s athletic”. Nisy koa ny hazakazaka ho an’ireo atleta efa manana kara-pilalaovana, mirefy 2 km ho an’ny sokajy rehetra ary ny hazakazaka mifampitohy, 10 x 200 m ho an’ireo mpianatra sy ny efa mpihazakazaka efa matihanina.
Afa-po ireo rehetra nandray anjara na ho an’ireo sambany vao niatrika izany na ho an’ireo nitaiza vatana fotsiny, niaraka nihazakazaka tamin’ny besinimaro. Sady fialamboly izany no ho an’ny fahasalaman’ny vatana ihany koa. Niarahana tamin’ny minisitera “coach” an’ny atletisma amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) ny hetsika dia ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra. Nofaranana tamin’ny fiarahana manao Zumba, ny “Atletisma ho an’ny rehetra”. Nanolotra ny amboara sy ny fanomezana ho an’ireo mpandresy sy mpandray anjara ny Eau Vive, mpanohana ny hetsika.
Torcelin