Efa nasian-teny teto… Tsy mampaninona ny mamerin-teny, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Mamerina indroa, manana ny antitra. Tsy inona fa ny amin’ny hoe ho an’ny olona rehetra sy ny olona manontolo ny fampandrosoana. Raha tsy izany, mandringa ihany. Mby amin’ny hoe mankany, mankany… Mankaiza? Mankaiza tokoa izao ny hoe fampandrosoana miainga any ifotony? Arahaba soa, arahaba tsara: tsy misy tsy manaiky sy miaiky ny ankamaroan’izay mahalala fa maro ireo fotodrafitrasa naorina, an-dalam-panorenana, mbola haorina. Tsy misy distrika hadino? Izay minia mikimpy ihany no tsy mahita.
Na izany aza, lanja miakatra ny fiainana. Mihazakazaka ny zava-drehetra. Izay tsy mandroso amin’izany, naman’ny mihemotra. Aiza ho aiza ny olona misitraka izay asa fampandrosoana izay amin’izao? Mbola ao anatin’ny fahasahiranana lalina sy maharitra ny vahoaka ifotony. Tsy tongatonga ho azy ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana hoe atao laharam-pahamehana amin’izay ny sosialim-bahoaka, na eo aza ny fanorenana fotodrafitrasa… tsy ajanona. Mby aiza? Tsy lavina, samy mahita sy miaina isan’andro ny zava-misy amin’ny toerana misy avy ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny isam-paritra…
Mbola tsy mahafa-bela tanteraka, ohatra, ny dona niadiana tamin’ny valanaretina covid-19, ny fiantraikan’ny adin’i Ukraine sy i Rosia, ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro… Miantraika amin’ny olon-drehetra sy ny olona manontolo? Amin’izao, iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy: tsy fandriampahalemana, fihanaky ny zava-mahadomelina, fisian’ny tsimatimanota, ny kolikoly… Tsy lavina, misy ny ezaka iadiana amin’izany rehetra izany. Saingy saika ny lafiratsin-javatra ihany no toa mavesa-danja, talaky maso, tsy takona afenina, be mpiresaka…
Izay no maha zava-dehibe ny fampandrosoana mifameno fa tsy mifamono. Ahoana, ohatra, no mahatonga ny sasany ho voasariky ny zava-mahadomelina? Eny, na tena sahirana aza. Tsy ampy ny fanabeazana? Na ny fijerena lavitra ny mety ho vokatr’izay atao, ny fahamatorana tsy hanandranandrana izay fantatra… Izay no maha zava-dehibe ny hoe foto-drafitr’olona: misy fototra mazava, manana tanjona tratrarina, mijery lavitra amin’izay aleha sy atao, miaina soatoavina hajaina… Tsy mankany mankany fotsiny izany, na fahoany fahoany. Mby aiza amin’izao? Tena omen-danja, atao ho zava-dehibe, imasoana…
R. Nd.