Fampirantiana « Antson’ny tontolo miaina » : maneho ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo haikanto

Tontosaina eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina ». Efa nisokatra ny 20 mey 2023 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 jona 2023. Fampirantiana haikanto maneho ny fahasimbana sy ny olan’ny tontolo iainana no hita ao anatin’izany hetsika izany. Haikanto samihafa, avy amina mpahay kanto 9 samy manana ny mampiavaka azy no miranty mandritra ity hetsika ity. Ankoatra izay, misy ihany koa ny atrikasa sy vela-kevitra iarahana amin’ny mpahay kanto samihafa. Fahasim­ban’ ny tontolo iainana eran-tany, indrindra ny eto Mada­gasikara, no nanosika ny mpikarakara nanao ny hetsika ary amin’ny alalan’ny haikanto no hanehoana izany, mba hisarihana bebe kokoa ny sain’ny olona. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, tanjona ny hanairana ny olona hahatsapa ny zava-misy ary hiaraka hitondra sy hanatanteraka ny vahaolana.
Miara-misalahy manatanteraka izao fampirantiana izao ny mpahay kanto maro, sahala amin’i Felana Rajaonarivelo, Malala Andrialavindrazana, Da­dee Andrianaivoson, Fan­jaR, Miora Rajaonary, Richian­ny Ratovo, Iandry Randria­man­droso ary ny asa tanan’ny Nature Attitude Madagascar. Miranty eny ny sary pika, ny sary vita amin’ny taratasy avy nampiasaina, ny horonan-tsarimihetsika sy horonantsary fa­nadihadiana ary ny hosodoko isan-karazany. Maneho ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny haikantony avy izy ireo. Miresaka manodidina ny haikanto sy ny tontolo iainana ihany koa ny vela-kevitra sy ny atrikasa tontosaina mandritra izany. Tanjona iray no iraisany dia ny hanaitra ny sain’ny rehetra ny amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny handraisana ny andraikitra manandrify izany.
Araka ny nambaran’ny mpikarakara, mbola hisy ny tohin’ny hetsika ary ezahina ny hanatsarana izany sahala amin’ny fampitomboana ny hetsika mandritra ny fampirantiana sy ny mpandray anjara amin’izany.

Lin(Mpianatra asa)

Partager sur: