Faritra Atsimo Andrefana: ankizy 65.000 hisitraka ny tetikasa “Zara Mira”

Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana ary ny reny bevohoka. Hisahana azy ireo ny tetikasa “Zara Mira” izay hizara tohana manokana.

Hotanterahina ao amin’ny kaominina Itampo­lo, anio, ny fisantarana ny tetikasa “Zara Mira” ao amin’ny faritra Atsimo Andre­fana. Ankizy manodidina ny 65.000 no heverina hahazo tombony amin’izany avy amin’ny ankohonana miisa 1.000, ary hiitatra tsikelikely, araka ny fanazavana nentin’ny talen’ny fiarovana sosialy ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy, Ratovomamonjy Anja Hobiniaina.
Ankoatra ny ankizy, hahazo ny anjarany koa ireo olona manana fahasembanana sy ireo reny bevohoka. Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo mendrika tohana manokana ireo ka izany indrindra ny anton’ny tetikasa izay ifarimbonana amin’ny Unicef.
Hahazo 10.000 Ar isaky ny roa volana ireo ankizy. 30.000 Ar kosa no ho azon’ireo olona manana fahasembanana. Haharitra telo taona ny fanohanana azy ireo.
Tanjon’ny tetikasa ny hampiditra an-tsekoly ireo ankizy zanaky ny fianakaviana sahirana. Eo koa ny hahazoany fahasalamana sy hahafahany misakafo ara-pahasalamana maro loko sy miovaova. Hanampy ny ray aman-dreny amin’ny fanatanterahana izany ny tohana “Zara Mira” izay horaisiny isaky ny roa volana.
Ireo olona manana fahasembanana kosa mba tsy ho vesatry ny ankohonana fa hanana fihariana ka hahaleotena ara-pivelomana amin’ny alalan’ny fiahiana azy manokana. Toraka izany ireo reny mitondra vohoka.
Hiparitaka manerana ny Nosy ny tetikasa mba tsy hisian’ny tombo sy hala amin’ny ankizy sy ireo sokajin’olona marefo, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany.
Nandalo masontsivana ny fomba nifantenana ireo olona hisitraka ny fanampiana ma­nokana. Tafiditra amin’izany ireo tena marefo tsy afaka mampiana-janaka…
Ny faritra Anosy sy Atsi­mo Atsinanana no efa hanatanterahana ny tetikasa “Zara Mira” ary izao hitarina ao amin’ny faritra Atsimo An­drefana izao. Mandalo mason­tsivana no hahafahana misitraka ny tetikasa.

Tatiana A

Partager sur: