Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely, ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny Ivom-panajariana ny Tanànan’Antananarivo sy ny manodidina (Ipam). Fotoana nanamboarana sy nikitihana ny sata mifehy ny fikambanana. Ahafahana mijery sy mampiditra olona manam-pahaizana manokana hiara-hiasa amin’izy ireo ny antony nikitihana izany. Tanjona ny hahafahan’izy ireo miantsehatra amin’ny fampandrosoana ny renivohitr’i Madagasikara, raha ny fanazavana.
Ankoatra izay, novelabelarina sy nampahafantarina nandritra izany ny foto-kevitra hijoroan’ny fikambanana sy ny asan’ny Agence d’Urbanisme eto amin’ny tanàn-dehibe. Mba hametrahana ny asam-baomiera mifanaraka amin’ny paikady vaovao entin’izy ireo miasa. Tonga nanatrika ny fivoriana teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina.
Marihina fa natsangan’ireo ben’ny Tanàna sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, nanomboka ny taona 2019, ny Ipam. Mba ho fitaovana handrindrana sy hampandrosoana ny tanàn-dehibe manerana ny kaominina 38. Mamatsy vola azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ny Agence française de développement (AFD).
Mino (mpianatra asa)