Css, 30 taona… : nahazo mari-pankasitrahana ny mpiasa

Nofaranana teny Ambato­maro, ny sabotsy teo, ny herinandro fankalazana ny faha-30 taonan’ny ivontoeram-pitsaboana (CSS) Avaradoha. Notolorana mari-pankasitrahana tamin’izany ireo mpiasa 24, naharitra sy nahatoky teo anivon’ny orinasa. Nahazo ny  « Ordre national »  ny efatra tamin’izy ireo, nahazo ny  « Ordre de mérite »  ny iray, nahazo ny « Médaille de travail »  ny fito ary mbola nisitraka ny « Certificat de fidélité » avokoa ny 23. « Mba hisian’ny fifampitokisana sy fifamatorana eo amin’ny mpia­sa ka hampandroso ny asa fitsaboana no antony », hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny ivontoerana, Dr Randrianalison Andrianomentsoa.
Mbola olana goavana eto amintsika ny halafon’ny saram-pitsaboana eny amin’ny hopitaly sy ny dokotera satria tsy mahatakatra izany ny hoenti-manan’ny olona ankehitriny, raha ny zava-misy. 1320 ireo tonga nisitraka ny tolotra maimaimpoana, ny 15 sy16 ary 17 mey lasa teo, teny an-toerana, tao ana­tin’ny fankalazana. Naha­fahan’ny olon-drehetra nizaha maso, tosidra, nitily ny diabeta amin’ny alalan’ny fitaovana (biotese)… Tanjona ny hanomezana fahafaham-po sy hanakaikezana ny olon-drehetra amin’ny alalan’ny fitsaboana. Nilaza izy fa ezahana ny hanakaiky vahoaka amin’ny saram-pitsaboana zakan’ny rehetra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: