Rugby Africa Women’s Cup 1st Division: mila mandresy an’i Cameroun i Madagasikara

Hifanandrina ny Liona tsy voafolak’i Cameroun sy ny Makis Ladies Madagasikara anio, andro faharoa amin’ny fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division”. Raha mandresy ny Makis Ladies, dia mbola manana fanantenana ny hanao Mondial.

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro faharoan’ny fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division 2023”. Hi­haona amin’ny XV Makis Ladies Madagasikara ny Lio­na tsy voafolak’i Came­roun. Mila mandresy ny Makis Ladies, raha tian’izy ireo ny hanana fanantenana handray anjara amin’ny “World Rugby Women’s Cup”.

Tsiahivina fa taorian’ny faharesen’ny ekipa malagasy, tamin’ny isa 20 no ho 29, nanoloana ny Simbas Kenya, ny sabotsy 20 mey lasa teo, nanome toky ny mpilalao fa hanome ny tsara indrindra avy amin’izy ireo mba hahazoana fandresena. “Manana lesoka ara-batana isika tamin’ny lalao voalohany, ary nisy ny fikoropahana amin’ny fandraisana baolina. Manome toky izahay fa hiezaka hanarina ny lesoka rehetra ary haka ny fandresena amin’ny lalao manaraka”, hoy Raharinirina Tsinjo Natiora, mpanazatra mpanampy ny Makis Ladies.
Marihina fa eo amin’ny laharana fahatelo no misy ny ekipam-pirenena malagasy raha toa ka farany ny mpilalaon’i Cameroun. Araka ny vaovao hita tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Mala­gasy Rugby, tsy misy vidim-pidirana ny lalao rehetra anio. Natao ho fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy izany.
Hifandona ny samy ngeza, Kenya sy Afrika Atsimo

Ankoatra izay, hifanandrina amin’ny Simbas Kenya ny Springboks Afrika Atsimo. Ho toy ny lalao famaranana izy ity, samy nahazo fandresena nandritra ny andro voalohany ny roa tonta. Tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ ny laharana voalohany ny Springboks, sady manana “bo­nus offensif” sy “défensif” betsaka indrindra. Faharoa kosa ny Simbas.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: