Mpanazatra ny Barea : mbola baraingo ny amin’i Fabiano Costa

Araka ny vaovao mandeha tao anaty tambajotran-tserasera Facebook, omaly, i Fabiano Costa, portiogey mpanazatra no handimby ny toeran’ilay Frantsay, Nicolas Dupuis, teknisianin’ny Barea A, teo alo­ha. Tsy mbola ofisialy anefa izany vaovao izany. Mametra-panontaniana anefa ny rehetra hoe “iza no handoa ny karaman’ity mpanazatra portiogey ity, raha izy tokoa no hanazatra ny Barea ? Ny fanjakana sa ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra. (FMF)?”. Tsiahivina fa i Fa­bia­no Costa dia mpanampy ny mpanazatra Rabesandra­tana Eric, izay nitondra ny ekipam-pirenena malagasy fahiny.
Araka ny fikarohana natao, mbola mpanazatra ny klioba Al Sahel Arabia Saodita i Fabiano Costa, hatramin’izao. Taorian’ity vaovao niely ity, tsy nahenoana feo momba izany ny eo anivon’ny FMF.
Marihina fa ny Barea izao no farany ao amin’ny vondrona misy azy ireo, manana isa iray. Tsara ny mampatsiahy fa ny 12 jona ho avy izao dia hanao lalao miverina amin’i Ghana, etsy Mahamasina, ny ekipam-pirenena malagasy, andro fahadimy amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’Ivoi­re 2024”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: