Ho fiatrehana ny “Mondial Fiba, 3X3 2023”, taranja basikety, izay hatao any Autriche, ny 30 mey hatramin’ny
4 jona ho avy izao, hanatanteraka lalao fitsapana telo ny Ankoay Madagasikara, amin’ ity faran’ny herinandro ity. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), roa herinandro ny ekipam-pirenena malagasy no manao fanazarantena ao amin’ny Serbian 3X3 Academy.
Ny herinandro voalohany, nanao fanomanan-tena isan’ andro ireo mpilalao, anisan’ izany ny fanamafisam-batana, fianarana teknika 3X3. Ankoatra izay, misy teknisianina serba, Danilo Lukic, manofana ireo mpilalao amin’ny resaka “tirs” sy ny resaka fiarovana.
Tsiahivina fa ao amin’ny sokajy A no misy ny ekipa malagasy. I Frantsa, i Brezila sy i Alemaina ary i Serbia no hifandimby hihaona amin’i Madagasikara. Marihina fa ny 14 mey lasa teo ny Ankoay no nanainga teto an-tanindrazana hihazo an’i Serbia. Miisa 4 ireo mpilalao nentin-dRandrianarivelo Jean de Dieu, mpanazatra Ankoay.
Tsara ny mampatsiahy fa i Livio, Elly, Arnol, Fiary no mpilalao efatra mirahalahy mandrafitra ny ekipan’ny Ankoay. Raha ny fikarohana natao, efa nandrombaka ny medaly volamena FIBA 3×3 nandritra ny lalao iraisan’i Afrika, natao tao Rabat MAROC, ny taona 2019 ry zalahy. Taorian’izany, voahosotra ho tompondakan’i Afrika nandritra ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika, natao tao Le Caire EGYPTA, ny taona 2022, izy ireo.
Fitia ( Mpianatra asa)