Sambany tao anatin’ny dimy taona nitondran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry no nisafidy ny nampita andraikitra tamin’ny mpiara-miasa aminy izy. Iraka no nandray ilay amboara goavambe azony tany Afrika, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa na ny “Super Prix Grand bâtisseur-Trophée Babacar Ndiaye 2023”. Sady zava-dehibe ho an’ny tenany manokana no reharehan’i Madagasikara, saingy naleony namita ny adidy eto an-toerana. Fihetsika mendri-piderana, tokony hotohizany sy hataony fomba fiasa mandritra ny fotoana fohy mialoha ny fahataperan’ny fotoam-piasany izany.
Inona no antony hilazana izany ? Anisan’ny toe-javatra ahazoany fanakianana lavareny ny figiazany fahefana. Hany ka tsy arany avokoa ny adidy aman’andraikitra lolohaviny sy babeny ary lanjaina eo an-tsoroka. Mivangongo ao an-dapa izay tokony hotsinjaraina. Manome endrika ratsy azy sy ny mpiara-miasa aminy akaiky. Ny tena zava-doza ! Io fomba fiasa iray io no mampisavoritaka ny tan-dapa, mampiady an-trano ny samy henjana. Iza tokoa no hanaiky ho gisitra na ho ambakan’ny sasany eo ?
Taratry ny fahaiza-mitantana ny fahaizana mametraka fa ny entan-jarai-mora zaka. Zava-dehibe ny fitokisana ny mpiray tarika sy fanomezan-kasina ny eny ifotony. Tiana hasiana tsindrimpeo eto ny momba ny fitetezam-paritra izay atao, miharo itony karazam-pitokanana zava-bita itony. Izay indrindra no hanipazana ny teny ao am-pon’ny mahalala, firifiry tokoa ny fotodrafitrasa tsy mbola voatokana hatrizao. Misy ny efa mihasimba, mihavasoka ny loko, mitriatra ny rindrina, ahiana hirodana ny tafo. Tsy arakaraka ilay maha manara-penitra azy akory.
Fotoana izao, hizarazarana ny fahefana amin’ny fidinana ifotony. Any amin’ny serasera no manao misimisy raha tsy maintsy hanaovana dokambarotra ihany ny filoham-pirenena sy ny tandapa. Ny rehetra miara-mientana sy mivoy ny asa vita no antoky ny fahombiazana misimisy kokoa. Mariky ny fahatokisan-tenan’ny mpanao politika sy ny fahaizany mandrindra ny lalao eny an-kianja daholo ireny.
Zava-dehibe ny fahaizana mametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy fa tsy ambony latabatra fotsiny. Matetika ireny no masontsivana hisafidianan’ny olona eny ifotony izay olona ho tohanany amin’ny fifidianana. Mora kokoa ho an’ny olona any ambany ravinahitra ny ho resy lahatra hanohana ny filoham-pirenena raha ny olona mpifanerasera aminy ao an-tanana no manao ny asa. Tsy voatery ho salovanin’ny foibe hatrany satria zava-dehibe ny firaisam-po sy fifampitokisana misy eny amin’izy ireo.
Mila mizatra izay, dieny izao ny mpitondra, indrindra ny filoha. Izay rahateo no hananany ireo mpanolotsaina manokana marobe, karamain’ny vahoaka malagasy, ireo. Tsy hijanona haingom-birao na handany volam-bahoaka fotsiny fa hitankosina aminy sy hitondra ny anjara birikiny ho an’ny fiarahamonina.
r.r