Hoenti-manana ny tsangambato faha-60 taona : hanatanteraka « Sahobin’ny Mpikabary » ny Fi.Mpi.Ma

Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) mandia ny faha-60 taona niorenana. Maro ireo hetsika hotanterahina ao anatin’ny fankalazana io vanim-potoana io. Goavana rahateo ny tsangambato haorina…

60 taona aty aorian’ny niorenan’ny Fikam­banan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Manana vina hanangana foiben-toerana lehibe ity fikambanana zokiny indrindra amin’ ny fikajiana sy fikoloana ary fampivelarana ny kabary malagasy ity. Io no tsangambato faha-60 taona. Ho santatry ny famoriana ny hoenti-manana ny amin’izany, hotanterahina ao amin’ny Carlton Mada­gascar, etsy Anosy, ny hetsika «Sahobin’ny Mpikabary», ny 3 jona izao, manomboka amin’ ny 12 ora sy sasany atoandro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana amin’io ny fiarahana mifaly, hanim-pitoloha, seho isam-paritra (fanehoana ny kolontsaina isam-paritra). Fantatra fa ho hita ao anatin’ity trano ho foiben’ny Fi.Mpi.Ma ity ny toerana ahafahana mifanakalo hevitra, hanapariahana ny kabary, hitahirizana ny momba ny kabary, filatroana, hira miaraka amin’ny Team’mikalo, sns.
Tafiditra ao anatin’ireo hetsika hotanterahina mandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma ihany koa ny «Kabary Tours», ny 23 jona ka hatramin’ny 27 jona. Lohahevitra amin’izany ny «Kabary sy ny fizahantany, iray tsy mivaky». Hiainga eto Antananarivo handalo An­tsirabe, Ambohimahasoa, Ra­nomafana. Miverina Ambo­sitra sy Antsirabe ary Anta­nanarivo. Hisy koa ny «He­rinandron’ny kabary» hotanterahina any Toamasina ny 14 hatramin’ny 19 aogositra. Ny loabary an-dasy, tontosaina ao amin’ny lapan’ny Akademia Malagasy Tsimbazaza, ny 17 sy 18 novambra izao.
Raha tsiahivina, nosokafana ny 18 febroary teo ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma. Niainga teo
ny fanilo nihazo ny faritra Atsinanana (Toamasina). Nianatsimo (Fianarantsoa, Toliara), nianavaratra (Antsi­ranana)… Nandalo an’i Eorô­pa. Hitodi-doha eto an-tanindrazana (Vakinankaratra, Ma­hajanga…). Ho any Afrika sy ireo nosy manodidina an’i Madagasikara ihany koa.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: