Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Miarisoa Patricia, omaly, fa manambady alohan’ny faha-18 taonany ny 40%-n’ny ankizivavy malagasy. Efa mipetraka any amin’ny faritra Anôsy sy Androy ny fady na karazana dina amin’io fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy io.
Hentitra ny amin’ny fanajana io fady io, araka izany, ny fiarahamonina satria efa nifanaiky fa hiaro ny zanany vavy, hampianatra azy ka tsy hampanambady azy aloha loatra. Misy ny fifampitondrana hifehezana ny fady. Manana ny fepetra ny fiarahamonina hampiharana ny sazy amin’ireo minia mandika ny fady.
Anisan’ny fepetra hisitrahana ny tohana amin’ny tetikasa “Haraton’Aina” ny fampianarana ny zaza hatramin’ny faha-15 taonany farafahakeliny. Efa sehatra iray hiarovana ny zaza tsy hiditra amin’ny fampanambadiana aloha loatra izany.
Raha mampiana-janaka ny ray aman-dreny dia misitraka io tohana io hahafahany manampy ny fianaran-janany sy ny fivelomany.
Anisan’ny fomba mamohehitra sy mamiravira ny ankizivavy ny fampanambadiana azy aloha loatra ka anaovana ezaka amin’ny fiahiana sosialy. Misy ny ady sisika eny anivon’ny fiarahamonina hahafahana miaro ny ankizivavy, fanentanana sy fandresen-dahatra atao amin’ny ray aman-dreny sy ireo raiamandreny ara-drazana izay to teny any amin’ny fiarahamonina.
Maro ny voka-dratsin’ny fampanambadiana aloha loatra toy ny fitondrana vohoka na tsy mbola tomombana aza ny ara-tsaina sy ara-batana, herisetra amin’ny tsy fahafantarana ny tokony hatao, fahatapahan’ny fianarana…
Tatiana A