Rock’n’ roll : Nodimandry i Tina Turner

Rehefa nolazoin’ny aretina tao anatin’ny fo­toana naharitra. Nodi­mandry teo amin’ny faha-83 taonany, tao an-tranony (tanana akaikin’i Zurich), ny alarobia 24 mey teo, i Tina Turner. Anna Mae Bullock ny tena anarany. « Mpanjakavavin’ny Ronck’n’roll », kosa teo amin’ny mpitia mozika. Nanomboka ny taona 1960, nisongadina tsikelikely teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fahaizany mihira. Nandalo fotoan-tsarotra nandritra ny 16 taona teo amin’ny fitiavana i Tina Turner. Taona 1978, nisaraka tamin’i Ike Turner vadiny izy. Nisy fiantraikany tamin’ny tarika izany satria nitana anjara toerana lehibe tamin’ny kanto nataony i Ike.
Taona 1983, nanomboka nivelatra indray ny lazan’i Tina Turner. Naveriny navoaka indray ny « Let’s stay together ». Navoakany ihany koa ny rakikirany mandeha irery nampitondrainy ny lohateny « Private dancer »… Taona 1988, nahatratra 185.000 ny mpijery ilay fampisehoana notanterahiny tao Rio de Janeiro (Brésil)… Nirotsaka tamin’ny filalaovana sarimihetsika ihany koa i Tina Turner.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: