Feno 90 taona ny CHU de soins et de santé publique, Analakely SSPA (na Institut
d’hygiène teo aloha. Niorina ny taona 1932 izany ka ny governora Cayala no nitokana azy tamin’izany.
Hopitaly tsy misy fandriana ny CHU de soins et de santé publique eo Analakely. Ahitana ny fitsaboana rehetra tsy mila fandidiana sy famelomana aina. «Izay no mampiavaka azy aty Afrika», araka ny fanazavan’ny talen’ny CHU SSPA, ny dokotera Rakotomalala Vololona, omaly, teny Analakely. 300 hatramin’ny 600 isan’andro ny marary manatona ny hopitaly anatin’ny sampam-pitsaboana 15 ao aminy.
Mizara roa ny fomba fandraisana, misy ireo olona milahatra maraina be hizarana tapakila maimaimpoana. Rehefa lany ny tapakila, handoavana sarany ny fitsaboana ary efa manana lamina ny tomponandraikitra. Maimaimpoana ny fizaham-pahasalamana samihafa. Vidiana kosa ny fanafody ankoatra ireo fanafody fanampiana azo avy amin’ny mpiray ombon’antoka.
Mandritra ny hetsika fanamarihana ny faha-90 taona, natokana ho an’ny mpisitraka ny andro voalohany, omaly. Nisy ny fizahana fahasalamana sy fanomezana fitsaboana maimampoana azy ireo. Niampy fitiliana ny tosidra, ny diabeta, ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, fandraisana an-tanana ireo manana olana ara-tsaina izany, nandritra ny tontolo andro.
Fifampizarana siantifika eo amin’ny mpitsabo sy ny mpiara-miasa amin’ny CHU hafa rehetra ny fandaharam-potoana anio.
Nahasarika olona maro ny fandraisana, omaly. Nilahatra be ireo nila tolotra ara-pitsaboana na fitiliana. Rehefa andavanandro, betsaka ny mararay tonga manatona satria eto afovoan-tanàna ny hopitaly.
Vonjy A.