Fampianarana teknika : 84%-n’ ny mpianatra niharan’ny fanararaotana ara-nofo

Hifarana anio ny hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ ny toeram-piofanana teknika, notanterahina nandritra ny hateloana, tany Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Trade for decent work izay karakarain’ny sampandraharahan’ny Organisation international de travail (OIT) ho an’i Madagasikara, Como­res, Maurice ary Seychelles iza­ny. Mamatsy vola ny hetsika ny Vondrona Eoropeanina sy ny governemantan’i Fin­lande.

Ho an’i Madagasikara manokana, mbola fady ny firesahana ny fananahana nefa maro anisa no iharan’ny herisetra ara-nofo, indrindra eny anivon’ny toeram-piofanana sy fianarana ary miseho amin’ ny endrika maro samihafa.

Araka ny fandalinana na­taon’ny Transparency Inter­national Initiative Madaga­sikara, 84% amin’ireo mpianatra sy mpiofana no iharan’ny fanararaotana ara-nofo, amin’ ny alalan’ny firaisana ho tambin’ny naoty tsara. Tsikaritra izany eny amin’ny ambaratonga ambony sy eny amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tsy mi­janona eo amin’ny fanentanana fotsiny ny hetsika fa manaitra ny fahatongavan-tsain’ny besinimaro hitarika amin’ny fiovan-toetra.

Vonjy

Partager sur: